Aller au contenu

Fitenin' ny Ôily

Avy amin'i Wikipedia
Endrika tamin'ny 8 Mey 2020 à 08:05 nataon'i Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara) (Fiteny rômana)
(fampitahana) ← Endrika tranainy kokoa | Endrika farany indrindra (fampitahana) | Endrika vaovao kokoa → (fampitahana)

Ny fiten'Ôily, izay antsoina fotsiny hoe Ôily dia fiteny rômana izay nivoatra tao amin'ny tapany avaratra ao Galia, avy eo tao amin'ny tao amin'ny tapany avaratr'i Frantsa, tao atsimon'i Belzika (Belzika rômana) ary tap amin'ireo Nosy Anglo-Normanda, ary notenenin'ny olona tamin'ny Andro Antenantenany. Nifangaro tamin'ny fiteny frantsay tranainy izy, izay mahafaoka tamin'izany fotoana izany ireo fitenim-paritra ôily. Ny fisandratan'ny endri-piteny tokana sady nampanarahim-penitra tamin'ny fiandohan'izany vanimpotoana vaovao izany (dia ny fiteny frantsay ankehitriny) no nahatonga ny fanavahana zay ireo ho maro lasa tsy nisy antony intsony tamin'ny fotoan'ny fiteny frantsay afovoany: tamin'izany no nanavahana ny fiteny frantsay andaniny sy ireo fiteny ôily hafa ankilany. Navondrona ao amin'ny vondrom-piteny galo-rômana ireo fitenin'Ôily. Ity vondrom-piteny any avaratra ity dia nitahiry ireo fototra avy amin'ny fiteny seltika maro indrindra sady niharan'ny akon'ny fiteny jermanika raha mitaha amin'ny fiteny oksitano-rômana any atsimo, izany hoe ny fitenin'Ôka.