Aller au contenu

Jodà (zanak' i Jakôba)

Avy amin'i Wikipedia
Endrika tamin'ny 16 Aprily 2023 à 09:50 nataon'i Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara) (nanova ny anaran'i Jodà (zanak' i Jakoba) ho Jodà (zanak' i Jakôba) i Thelezifor)
(fampitahana) ← Endrika tranainy kokoa | Endrika farany indrindra (fampitahana) | Endrika vaovao kokoa → (fampitahana)
I Jodà, sary nataon' i Philip De Vere

I Jodà (hebreo: יְהוּדָה‎ / Yehudah) dia lehilahy voaresaka ao amin' ny Bokin' ny Genesisy ao amin' ny Baiboly. Zanaka fahefatr' i Jakoba tamin' i Lea izy, dia i Jakoba zanak' i Isaka. Izy ilay nandresy lahatra ireo rahalahiny hivarotra an' i Jôsefa tamin' ireo Ismaelita mpividy olona fa tsy hamono azy (Gen. 36.26-27); izy no niantoka ny hampodiana an' i Benjamina faralahin' i Jakoba eo amin-drainy mba hahafahana mitondra azy any Egipta, araka ny sitrapon' ilay manampahefana egiptiana (izay tsy iza fa i Jôsefa ihany); izy no nanolo-tena tamin' io manampahefana ejipsiana io mba ho tazomina ho solon' i Benjamina voampanga ho nangalatra nefa tokony hampodina any amin-drainy.

I Joda, fa tsy i Robena lahimatoa, no nahazo ny tsodranon' i Jakoba ho lehiben' ireo zokiny izay tsy nanaja an-drain' izy ireo satria i Robena namadika an-drainy noho ny nadriany tamin' i Bila vadin-drainy ary i Simeôna sy i Levy nahatezitra an-drainy tamin' ny namonoan' izy ireo ny lehilahy rehetra tao Sikema.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]