Aller au contenu

Pôlikarpôsy avy any Smirna

Avy amin'i Wikipedia
Endrika tamin'ny 20 Jolay 2023 à 17:44 nataon'i Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
(fampitahana) ← Endrika tranainy kokoa | Endrika farany indrindra (fampitahana) | Endrika vaovao kokoa → (fampitahana)
I Polikarposy avy any Smirna

I Pôlikarpôsy avy any Smirna na Pôlikarpa dia Kristiana, Ray Apôstôlika sady evekan' i Smirna (i Izmir ao Torkia ankehitriny) nandritra ny antsasany voalohany amin' ny taonjato faha-2. Novangian' i Ignatiôsy avy any Antiôkia (na Iniasy avy any Antiôka) izy taloha kelin' ny hamonoana azy (taona 116). Tamin' ny faramparan' ny andro niainany dia nisolo tena ireo fiangonana any Azia Minora izy nandritra ny fivoriana tany Rôma niaraka amin' ny papa Aniketo (155-166), ka isan' ny niandian-kevitra tamin'izany ny daty hankalazana ny Paska (na Paka). Novonoina tao Smirna i Pôlikarpôsy tamin' ny faha-86 taonany. Araka an' i Ireneo, izay mpianany, dia niresaka tamin' i Joany Evanjelista, izay mety mpampianatra azy, i Pôlikarpôsy, ka izany sy ny fahaizany mitory teny ary ny fanoloran-tenany no nananany fahefana lehibe tao amin' ireo fiangonana tany Atsinanana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]