Aller au contenu

Faritra Anosy

Avy amin'i Wikipedia
Faritra Anosy
-
Fianarana no lova tsara
Firenena  Madagasikara
Faritany Toliara
Renivohi-paritra Tolagnaro
Distrika 3
Lehiben'ny faritra Tsy fantatra
Fianarana no lova tsara
Velarantany 25 731 km2
Isam-ponina 809 303 mpo.
Hakitroky ny mponina 31,45 mpo/km2
Fianarana no lova tsara
Laharam-pehintany Tsy fantatra
Laharan-jarahasina Tsy fantatra

Ny Faritra Anosy dia iray amin' ireo faritra 23 eto Madagasikara, ao amin' ny Faritanin' i Toliara, any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' ny Nosy. I Tolagnaro na Fort-Dauphin no renivohiny. Manana velaran-tany mirefy 25 731 km2 izy.

Jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]

Toerana misy azy

[hanova | hanova ny fango]

Ny Faritra Anosy dia any amin' ny farany atsimo-atsinanan' i Madagasikara. Ao amin' ny faritanin’ i Toliara izy. Mamaritra azy ao avaratra ny Faritra Atsimo-Atsinanana sy ny Faritra Ihorombe, ao atsimo sy atsinanana ny Ranomasimbe Indiana ary any andrefana ny Faritra Androy sy ny Faritra Atsimo-Andrefana. Mirefy 29 731 km2 ny velarany.

Ny vohon' ny tany

[hanova | hanova ny fango]

Mizara telo ny endriky ny vohon' ny tany ao amin' ny Faritra Anosy. Ao ny tapany avaratra izay ahitana ny tapany amin' ny lembalemban' Ihorombe tapatapahin' ny lemaka be antsanga, izay manana haavo 800 ka hatramin' ny 900 m.

Ao koa ny tapany atsimo izay be tendrombohita, eo amin' ny ampahany amin' ny tangoron-tendrombohitra miafara any atsimo, amin' ny Tangoron-tendrombohitra Ivakoany (ahitana ny tendrombohitra Ivakoana izay mirefy 1 632 m) any amin' ny faritra misy an' i Tsivory andaniny, ary ankilany, amin' ny Tandavan-tendrombohitra Anosy (ahitana ny tendrombohitra Beampigatra izay mirefy 1 956 m) ao akaikin' i Tolagnaro.

Ao ny faritra amoron-dranomasina, izay miavaka amin' ny fisian' ny tehezan-tendrombohitra mideza any amin' ny faran' ny tagoron-tendrombohitra ary tandavam-pasika manana sakany mirefy 30 km izay mipaka any amin' ny Ranomasimbe Indiana; eo amin' ny 194 km amin' ny morontsirak' i Anosy dia be ahitana faritra sy misy helodrano madinika, tora-pasika misy dongom-pasika, haran-dranomasina, ny riakasia ary ny vinanin-dranomasina maro.

Tambajotran-drenirano

[hanova | hanova ny fango]

Ny tambajotran' i Mandrare, izay ahitana ny onin' i Mandrare (izay mirefy 250 m) sy ny renirano manompo azy, izay mipoitra any amin' ny Tangoron-tendrombohitra Ivakoana sy ny any amin' ny tendrombohitr' Anosy maro, dia manondraka ny tapany andrefan' ny Faritra Anosy. Any amin' ny tendrombohitra Beampingatra no ipoiran' i Mandrare. Ny sakeli-dranony, izay ahitana indrindra an' Andratina, i Tsivory, i Manambolo ary i Mananara, dia samy mipoitra amin' ny havoan' ny Tangprpn-tendrombohitr' Ivakoany sy ny tehezan-tendrombohitra andrefan' ny Tandavan-tendrobohitr’Anosy.

Ny tambajotran-drenirano amin' ny ilany atsinanana dia ahitana renirano somary fohy izay miainga avy amin' ny hantsana amin' ny ilany atsinanan' ny tangoron-tendrombohitra ao afovoany-atsimo amin' i Madagasikara. I Manampanihy, i Ebakika, i Vatomirindra, i Esama, ohatra, dia manondraka ny tapany atsinanana sy atsimo-tsinanan' ny Faritra Anosy alohan' ny hivarinany any amin' ny Ranomasimbe Indianina manamorona ny morontsiraka atsinanana eo anelanelan' i Vangaindrano sy Tolagnaro.

Zavamaniry

[hanova | hanova ny fango]

Ahitana ala tsy vaky any amin' ny tapany atsimo sy atsimo-atsinanan' ilay Faritra Anosy, any amin' ny faritra be tendrombohitra ao amin' ny distrikan' Amboasary Atsimo sy ny distrikan' i Tolagnaro. Tany am-boalohany dia saika mandrakotra ny Tangoron-tendrombohitra Ivakoany sy ny Tangoron-tendrombohitra Anosy ny ala tsy vaky, nefa amin' izao fotoana izao dia voafetra amin' ny toerana vitsivitsy, indrindra fa amin' ny toerana mikitoantoana indrindra misy tendrombohitra izany. Ny ampahany be ampin' ny sisa tavela amin' ny ala dia anirian' ny briôfita, ny savoronala (na volombato), ny ampanga na hazo lehibe, arakaraka ny haavon-toerana sy ny fikintoanana.

Ny savoka amin' ny Faritra Anosy dia misy karazany roa: savoka mando sy ala maina. Ny savoka mando hita eny amin' ny Tangoron-tendrombohitra Anosy dia misolo toerana ny ala tsy vaky. Ao anatin' ny fahapotehana lehibe ihany koa izy ireo, vokatry ny fanimbana ataon' ny olombelona (indrindra ny doro tanety sy ny fandringanana ala). Ny mahampy sy ny ravinala no tena hita eny. Ny savoka maina, izay hita any andrefana, eo anelanelan' i Ranopiso sy Amboasary Atsimo, dia feno kirihitrala sy raketa ary karazana kirihitrala misy tsilo.

Ny ampahany be amin' ny fizaran-tanin' ny Faritra Anosy dia misy hivoka, manomboka any avaratra ka hatrany atsimo. Ny karazana zava-maniry mameno ireo hivoka ireo dia miovaova arakaraka ny toerana. Ny hivoka any amin' ny lembalemba avaratra dia misy karazana ahitra indrindra ny ahidambo (Andropogon) sy ny horona (Aristida), fa ny fatran' ny renirano sy ny tany mando kosa dia anirian' ny bararata (Phragmites) sy ny harefo (Cyperaceae). Raha somary mianatsimo dia hita any ny hivoka anirian-kazo sy ny hivoka misy kirihitra ary hivoka feno ahitra. Eny amin' ny tehezan-tendrombohitra efa mitanjaka dia mitombo ny karazana kirihitra manafika, toy ny randriaka (Lantana camara) amin' ny sisin' ny alan-tany mando, ny taretra (Agave sisalana), ny anjavidy (Philippia sp na Erica sp). Ireo kirihitra ireo dia miara-miaina amin' ny karazana ahitra Aristida roa lehibe: ny Stenotaphrum sy ny Exonepus. Ny zavamaniry any amin' ny faritra mando dia ny vondrona (Typha angustifolia) sy ny harefo (Cyperaceae), ary koa ny Niaouli (Melaleuca sp.).

Mizara roa miavaka tsara ny toetany ao amin' ny Faritra Anosy: andaniny ny toetany mafana sy mando any amin' ny faritra atsimo sy atsimo-atsinanana, ary ankilany ny toetany trôpikaly atsy tena mando any amin' ny faritra avaratra.

Manodidina ny 23 °C hatramin' ny 24 °C ny sala-maripana isan-taona ao amin' ny Faritra Anosy. Miova be anefa ny maripana raha avy any avaratra mianatsimo. Ao Tolagnaro any amin' ny faritra atsimo-atsinanan' ny Nosy, dia 28 °C ny maripana amin' ny volana Febroary ary midina manodidina ny 17 °C izany amin' ny volana Jona sy Jolay. Mifanohitra amin' izany ny any Betroka, any avaratra, amin' ny Lembalemban' Ihorombe, izay manana maripana tsy mihoatra ny 20 °C ny ambony indrindra amin' ny volana Febroary ary mety hidina hatramin' ny 10 °C ny volana Jona sy Jolay.

Amin' ny ankapobeny, ny Faritra Anosy dia manana toetany somary mando, ary manodidina ny 1 200 mm ny rotsak' orana isan-taona. Miovaova be anefa ny rotsak' orana raha avy any avaratra mianatsimo. Ny tapany avaratra amin' iiay faritra, ao amin' ny distrikan' i Betroka, dia ao anatin' ny faritra mando fa ny tapany atsimo sy atsimo-atsinanana (distrikan' Amboasary-Sud sy distrikan' i Tolagnaro) kosa dia mando. Ao amin' ny tapany avaratry ny faritra, dia manodidina ny 850 mm ny salan' ny rotsak' orana isan-taona, fa 1 500 mm kosa izany any antsimo-atsinanana.

Fitantanana

[hanova | hanova ny fango]

Distrika telo no mandrafitra ny faritra Anosy: Amboasary-Atsimo (5 498 km2) sy Betroka (10 173 km2) ary Tolagnaro (14 060 km2). Ny renivohiny dia ny tanànan' i Tolagnaro, fantatra ihany koa amin'ny anarana frantsay hoe Fort-Dauphin, any amin' ny 1 120 km miala an' Antananarivo renivohitr' i Madagasikara.

Kaominina

[hanova | hanova ny fango]

Kaominina ao amin' ny Distrikan' Amboasary-Atsimo

[hanova | hanova ny fango]

Ireto ny kaominina ao amin' ny distrikan' Amboasary Atsimo:Amboasary-Atsimo, Behara, Berano Ville, Ebelo, Elonty, Esira, Ifotaka, Mahaly, Manevy, Maromby, Marotsiraka, Ranobe, Sampona, Tanandava Sud, Tomboarivo, Tranomaro, Tsivory.

Kaominina ao amin' ny Distrikan' i Betroka

[hanova | hanova ny fango]

Ireto ny kaominina ao amin' Distrikan' i Betroka: Ambalasoa - Ambatomivary - Analamary - Andriandampy - Beapombo I - Beapombo II - Bekorobo - Benato-Toby - Betroka - Iaborotra - Ianabinda - Ianakafy - Isoanala - Ivahona - Jangany - Mahabo - Mahasoa Est - Nagnarena - Naninora - Tsaraitso

Kaominina ao amin' ny Distrikan' i Tolagnaro

[hanova | hanova ny fango]
Tolagnaro (Fort Dauphin)

Ireto ny kaominina ao amin' io distrika io: Ambatoabo - Ampasimena - Ampasy Nahampoa - Analamary - Analapatsy - Andranombory - Ankaramena - Bevoay - Enakara-Haut - Enaniliha - Fenoevo - Iabakoho - Ifarantsa - Isaka-Ivondro - Mahatalaky - Manambaro - Manantenina - Mandiso - Mandromodromotra - Ranomafana - Ranopiso - Sarasambo - Soanierana - Tôlanaro

Jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]

Ny renirano ao amin' ny faritra Anosy

[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ny renirano ao amin' ny faritra Anosy: Manampanihy, Fanjahira, Mandrare, Mangoky, Isoanala, Menarandra, Manambovo ary Imaloto.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Faritany sy faritra eto Madagasikara:

Samihafa

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Lahatsoratra samihafa

Disy aman-dalàna

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.