Aller au contenu

Fiteny egiptiana demôtika

Avy amin'i Wikipedia
Soratra demôtika egiptiana

Ny fiteny egiptiana demôtika dia endriky ny fiteny tany Egipta tamin' ny Andro Taloha izay nosoratana tsy tamin' ny sora-masina (hierôglifa), fa tamin' ny endrika notsorina amin' io soratra io. Tamin' ny taonjato faha-7 tal. J.K. hatramin' ny taonjato faha-5 tal. J.K. no nitenenanana io fiteny io. Izy io koa no niavian' ny fiteny kôpta.

Ilazana ny tarehin-tsoratra nanoratana izany fiteny izany koa ny hoe demôtika ("soratra demôtika"). Ny hoe demôtika dia avy amin' ny teny grika hoe δημοτικά / dêmotiká izay midika hoe "an' ny vahoaka". Ny fiteny egiptiana demôtika dia ao amin' ny sampam-piteny egiptiana taloha, izay ao amin' ny fianakaviam-piteny hamitô-semitika.