Mu'awiyah I: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-10:
|taona niasàna=
}}
I '''Mu'awiyah I''' no mpanorina sy [[kalifa]] voalohany tao amin' ny tarana-mpanjaka [[Ômeiada|Omeiada]] na Omaiada tamin' ny taona 661 hatramin' ny nahafatesany tamin' ny taona 680. Teraka tamin' ny taona 602 tao [[Meka (Arabia Saodita)|Meka]] (na Maka) any [[Saikanosin' i Arabia|Arabia]] ary maty tany [[Damaskôsy]] (na Damasy) any [[Siria (faritra)|Siria]] tamin' ny taona 680 izy, zanakalahin' i ʾAbū Sufyān ibn Ḥarb. Atao hoe أبو عبد الرحمن معاوية بن أبي سفيان / ''ʾAbū ʿAbd ar-Raḥmān Muʿāwiya ibn ʾAbī Sufyān'' izy amin' ny [[Fiteny arabo|teny arabo]].
 
I Abu Sufyan ibn Harb no rainy. Ny zanany dia i Yazid I. Ny mpiray tampo aminy dia i Ramla bint Abi Sufyan sy i Yazid ibn Abi Sufyan.
 
Lasa kalifa i Mu'awiya telopolo taona latsaka taorian' ny nahafatesan' ny mpaminany [[Mohamady]] (mpaminanin' ny silamo) ary avy taorian' ny [[Kalifata Rasidona|kalifa Rashidunrasidona]] efatra ("voatarika marina"). Tsy tahaka ireo teo alohany, izay akaiky sady mpiara-dia voalohany tamin' i Mohamady, i Mu'awiya izay mpanara-dia ny mpaminany silamo efa taty aoriana, satria niova fo ho mozilmana niaraka tamin' ny fianakaviany nandritra ny fandresena sy fahazoana an' i Meka tamin' ny taona 630.
 
I Mu'awiya sy Abu Sufyan rainy dia nanohitra an' i Mohamady, izay havan-davitr' izy ireo samy ao amin' ny fokon' ny [[Koraisita (vahoaka)|Koraisita]] ary zaodahin' i Mu'awiya taty aoriana, mandra-pandresena sy fahazoan' i Mohamady an' i Meka (na Maka) tamin' ny taona 630. Taorian' izay dia lasa anisan' ny mpitan-tsoratr' i Mohamady i Mu'awiya. Notendren' ny kalifa Abu Bakr (nanapaka tamin' ny taona 632–634) ho mpitari-tafika lefitra tamin' ny ady sy fakana an' i Siria izy. Niakatra laharana izy tamin' ny kalifatan' i Omar na Omar (nanapaka tamin' ny taona 634–644) mandra-pahatongany ho governoran' i Siria tamin' ny fotoana nanjakan' ny Omeiada havany, dia ny kalifa [[Uthman ibn Affan|Othman]] na Uthman ([[ʿUṯmān ibn ʿAffān]], nanapaka tamin' ny taona 644–656). Nifanerasera tamin' ny Bano Kalba (''Banu Kalb'') izay foko matanjaka tao amin' ilay faritany izy, namolavola fiarovana ny tanàna maro amoron-tsiraka, ary nitarika ny ady tamin' ny [[Empira Bizantina]], anisan' izany ny ady mozilmana maro mitety toerana nampiasana sambo voalohany. Ho setrin' ny famonoana an' i Othman tamin' ny taona 656, dia nisahana ny valifaty ho an' io kalifa io i Mu'awiya ary nanohitra an' i [[Ali ibn Abi Talib]], mpandimby ny kalifa. Nandritra ny "Fitna Voalohany" (a<u>dy an-trano voalohany teo amin' ny Mozilmana</u>, izay niandohan' ny fisarahana teo amin' ny [[Sonisma|Sonita]] sy ny [[Siisma|Siita]] ary ny [[Karijisma|Karijita]]) dia nitarika ny tafiny tamin' ny ady tao Siffin tamin' ny taona 657 izy roa, ka nitarika fifampiresahana tsy nahomby momba ny fitsarana handaminana ny disadisa. Taorian' izay dia neken' ny Siriana mpanohana azy sy i Amr ibn al-As mpiara-dia aminy ho kalifa i Mu'awiya, dia i Amr ibn al-As izay nandresy an' i Ejipta nofehezin' ny governoran' i Ali, tamin' ny taona 658. Taorian' ny fahafatesan' i Ali, izay nisy namono tamin' ny taona 661, dia noteren' i Mu'awiya i Hasan zanak' i Ali sady mpandimby azy, mba hiala amin' ny maha kalifa azy ary nekena nanerana ny kalifata ny fitondran' i Mu'awiya.
 
Momba ny raharaha anatiny, i Mu'awiya dia nifandray tamin' ny foko arabo siriana tsy mivadika sy ny mpiasam-panjakana kristiana tany Siria. Izy no tompon' andraikitra tamin' ny fananganana sampan-draharaham-panjakana miandraikitra ny fandefasana taratasy sy entana (arabo: بريد / ''barīd'') sy niandraikira ny taratasim-pifandraisana. Izy no kalifa voalohany nametaka ny anarany tamin' ny vola madinika, tamin' ny sora-tsokitra, na tamin' ny antontan-taratasy momba ny Empira Islamika vao teraka. Momba ny raharaha ivelany kosa dia nanao fanafihana an-tanety sy an-dranomasina saika isan-taona niadiany tamin' ny Bizantina ny miaramilany, anisan' izany ny fahirano nataony ny tanàna [[Kônstantinôpôlisy]] izay tsy nahomby. Tany [[Iràka]] sy tany amin' ny faritany maro any atsinanana dia natolony ho an' ny governora matanjaka, dia i Al-Mughira sy i Ziyad ibn Abi Sufyan, ity farany dia voalaza (nefa misy miady hevitra momba izany) fa noraisiny ho rahalahiny. Teo ambany fitarihan' i Mu'awiya, ny fandresena sy ny fahazoan' ny Mozilmana an' i Ifriqiya (faritra afovoany amin' i [[Afrika Avaratra]]) dia natombok' i Uqba ibn Nafi, izay kômandin' ny tafika, tamin' ny taona 670, raha nitohy indray ny ady fakana tany tao Khurasan (na Khorasan, any [[Iràna]]) sy tao Sijistan (na Sistan, any Iràna) tao amin' ny sisin-tany atsinanana.
Andalana faha-28:
* [[Ômeiada|Omeiada]]
 
* [[Kalifata Omaiada|Empira OmaiadaOmeiada]]
 
===Rohy ivelany===