Azia
I Azia na Asia dia kôntinenta izay ahitana firenena miisa 46, izay voafaritry ny Ranomasimbe Arktika ao avaratra, ny andilan-dranomasin' i Bering sy ny Ranomasimbe Pasifika ao atsinanana, ny Ranomasimbe Indiana ao atsimo, ary ny Ranomasina Mena sy ny Ranomasina Mediteranea ao atsimo-atsinanana. Ny sisiny manasaraka an' i Azia sy Eorôpa dia nifanarahana fa ny tendrombohitra Oraly (Ural). Raha heverina ho kôntinenta iray i Azia sy i Eorôpa noho izy ireo tany mitohy dia antsoina hoe Eorazia. Manana velarana 43 810 582 km2 i Azia ka izy no be velarana indrindra amin'ny kontinenta rehetra. Izy koa no be mponina indrindra (4,3 lavitrisa: 60 %n' ny mponina eran-tany). Ao no ahitana ny tendrombohitra avo indrindra, dia i Everest, izay mahatratra 8 848 m.
Mifanjohy mankany Ôseania ny nosy sy ny tamba-nosy ao atsimo-atsinanana: isan' izany ireo nosy Filipina sy ireo nosin' i Indônezia (i Somatra sy i Java ary i Solaoesy), i Bôrneô ary i Ginea Vaovao. Ao avaratra atsinanan' i Azia no ahitana ireo nosin' i Japàna sy ny nosin' i Sakalina. Ao amin' ny Ranomasimbe Indiana no misy ny nosy Srilanka sy ireo tamba-nosy madinika toa ny an' i Maldiva ary ireo nosy Andamàna sy Nikôbara.
Ny faritra ao Azia
hanovaNy faritra ao Azia araka ny famaritan' ny Firenena Mikambana
hanovaAzia Avaratra
hanovaI Azia Avaratra dia faritra ao Azia izay ahitana an' i Siberia ny faritra Farany Atsinanana rosiana, ary indraindray koa i Môngôlia sy i Mantsoria izay atambatra amin' i Azia Atsinanana amin' ny ankapobeny.
Azia Afovoany
hanovaI Azia Afovoany dia faritra afovoan' ny kôntinenta aziatika izay mivelatra manodidina ny Ranomasina Kaspiana, ny Ranomasin' i Araly ary ny farihy Balkhach. Ny firenena ao Azia Afovoany dia i Kazakstàna, i Ozbekistàna, i Tajikistàna, i Torkmenistàna ary i Kirgizistàna.
Atsinanana Afovoany
hanovaI Atsinanana Afovoany dia ny faritra atsimo-andrefan' i Azia. Ireo firenena ao Azia Andrefana dia i Arabia Saodita, i Iràka, i Iemena, i Ômàna, i Iràna, i Siria, i Jôrdania, i Israely, i Palestina ary i Torkia.
Azia Atsimo
hanovaI Azia Atsimo dia faritra atsimo ao Azia izay mahafaoka an' i Afganistàna, i Bangladesy, i Botàna, i India, ireo nosy Maldiva, i Nepaly, i Pakistàna ary i Srilanka. Faritra be mponina indrindra eto an-tany i Azia Atsimo, izay onenan' olona miisa 1,9 lavitrisa tamin' ny taona 2019, izany hoe ampahefatry ny mponina maneran-tany.
Azia Atsinanana
hanovaI Azia Atsinanana dia faritra atsinanana ao amin' ny kôntinentan' i Azia. Ireto avy ireo firenena hita ao Azia Atsinanana: Sina, Kôrea Avaratra, Kôrea Atsimo, Japàna ary i Taioàna. Manampy azy ireo i Môngôlia (izay indraindray tao isan' i Azia Afovoany) sy i Vietnamy sy i Singaporo (noho ny antony ara-kolontsaina, atambatra matetika amin' i Azia Atsimo-Atsinanana), ny faritra rosiana Atsinanana Indrindra koa dia azo ampidirina ao. Matetika dia akambana amin' ny faritra Farany Atsinanana izy.
Azia Atsimo-Atsinanana
hanovaNy Azia Atsimo-Atsinanana dia ny faritr' i Azia any atsinanan' i India ary any atsimon' i Sina. Ireo firenena ao Azia Atsimo-Atsinanana dia i Mianmara, i Tailandy, i Malezia, i Indônezia, i Filipina, i Vietnamy, i Laôsy, i Broney ary i Kambôdia.
Faritra hafa
hanovaNy faritra hafa ao Azia
hanova- Atsinanana Indrindra
- Masreka
- Zana-kontinenta Indiana
- Siberia
- India Atsinanana
- Indôsina
- Tsinam-Bolana Lonaka
- Saikanosin' i Arabia
- Kaokazy
- Anatôlia
Faritra ara-tantara ao Azia
hanova
Jereo koa
hanovaIreo kôntinenta
- Afrika - Azia - Eorôpa - Amerika (Amerika Avaratra - Amerika Atsimo) - Antarktika - Ôseania - Eorazia
Lisitry ny firenena any Azia:
- Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jeôrjia - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara (na Birmania) - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina - Rosia - Sina - Singapôro - Siria - Srilankà - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Timôro Atsinanana - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy
Fanjakana mbola misy olana: