Aller au contenu

Fokom-pirenen' i Jodà

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.
Sarintanin'ny foko 12n'i Israely

Ny fokom-pirenen' i Jodà na fokon' i Jodà dia iray amin' ny fokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely. Nanana ny toerany manokana ny fokom-pirenen' i Jodà amin' ny maha fokom-pirenena voalohany ao amin' ny Fanjakan' i Jodà azy.

I Jodà na Joda

I Jodà (hebreo: יְהוּדָה‎ / Yehuda) dia zanaka fahefatr' i Jakôba tamin' i Lea. Izy ilay nandresy lahatra ny rahalahiny hivarotra an' i Jôsefa tamin' ny Ismaelita mpividy olona fa tsy hamono azy (Gen. 36: 26-27); izy no niantoka ny hampodiana an' i Benjamina faralahy eo amin-drainy mba hahafahana mitondra azy any Egipta araka ny sitrapon' ilay manam-pahefana egiptiana (dia i Jôsefa ihany). I Jodà no nahazo ny tsodranon' i Jakôba ho lehiben' ny zokiny izay tsy nanaja an-drain' izy ireo. Ireto avy ny zanak' i Jodà: Era, Onana, Sela, Pereza ary Zera (Genesisy 46:12).

Ny anjara tanin' ny fokom-pirenen'i Jodà

Ao amin' ny Bokin' i Jôsoa (Jôs. 15) no iresahana ny anjara tany azon' ny fokom-pirenen' i Jodà tao Kanaana. Tsy hita ao amin' ny Hiran' i Debôra ny fokom-pirenen' i Jodà[1]. Nanana ny toerany manokana ny fokom-pirenen' i Jodà amin' ny maha fokom-pirenena voalohany ao amin' ny Fanjakan' i Jodà azy, ary avy ao aminy no voalaza fa nivoahan' ny mpanjakan' i Jodà (afa-tsy ny mpanjaka telo farany tao Jodea (na Jodia), dia ny Hasmôneana izay Levita). Araka ny Baiboly dia efa voalazan' ny faminaniana ao amin' ny Tsodranon' i Jakôba, izay nanambara fa tsy tokony hiala avy ao Jodà ny tehina ary ny tehim-panjakana tsy hivoaka avy eo anelanelan' ny tongony.

Olona anisan' ny fokom-pirenen' i Jodà

Anisan' ny fokom-pirenen' i Jodà i Davida sy ny nitaranaka azy, dia i Bôaza sy i Ôbeda ary i Jese. Araka ny finoana jiosy dia anisan' ny fokom-pirenen' i Jodà ny Mesia satria nampanantena ny fitohizan' ny fanapahan' i Jodà ny Fanjakana ilay tsodrano. Maro ny olona manana ny maha izy azy izay anisan' ny fokom-pirenen' i Jodà, ka anisan' izany i Isaia, i Habakoka, i Jôela (na Jôely), i Mikà (na Mikea), i Ôbadia (na Abdiasa), i Zakaria ary i Zefania (na Sôfônia).

Taty aoriana, nandritra ny fahababoana tany Babilôna, dia anisan' ny fokom-pirenen' i Jodà ny mpitarika voatendrin' ny mpanjaka babilôniana hitondra ny vahoaka jiosy, toraka izany koa rehefa tapitra ny fahababoana ka anisan' izany i Zerobabela (lehiben' ny Jiosy nody tany Jodea voalohany), i Seltiela ary i Nehemia (izay anisan' ny governoran' i Jodea notendren' ny Akemenida). Tamin' ny andron' ny Rômana dia voalaza ho anisan' ny fokom-pirenen' i Jodà ny andriandahy (hebreo: Nasi) taorian' i Semaia, satria izy rehetra ireo dia taranak' i Hilela izay voalaza fa nateraky ny vehivavy taranak' i Davida.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

  1. Ny tantaran' i Debôra dia hita ao amin' ny toko faha-4 sy faha-5n' ny Bokin' ny Mpitsara. Ny toko faha-4 dia fitantarana amin' ny lahateny tsotra fa ny toko faha-5 kosa dia amin' ny endrika tonon-kalo - izay atao hoe "Hiran' i Debôra" na "Antsan' i Debôra".