Aller au contenu

Boky fahadimin' ny Makabeo

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.

Ny Boky fahadimin' ny Makabeo dia boky ara-pivavahana jiosy izay tsy isan' ireo boky ao amin' ny Tanakh na amin' ny Baiboly kristiana. Apôkrifa io boky io fa tsy deoterôkanônika na ho an' ny Katôlika na ho an' ny Ôrtôdôksa. Ny Prôtestanta dia manasokajy azy ho pseodepigrafa.

Anaran' ilay boky

Ny anarana hoe Boky fahadimin' ny Makabeo (5Makabeo) dia nampidirin' i Henry Cotton[1] ka notazomin' i Samuel Davidson sy ny hafa koa[2]. Ireto koa ny lohateny hafa iantsoana ilay boky: Boky faharoan'ny Makabeo Arabo na Bokin'ny Makabeo Arabo[2].

Votoatiny

Mitantara ny zava-nitranga tamin' ny saika hamaboan' i Heliôdôrôsy ny fanaka tao an-Tempoly tamin' ny taona 186 tal. J.K. hatramin' ny nahafatesan' ny zanakalahy roan' i Herôda Lehibe tamin' ny taona 6 tal. J.K. ny boky.

Sahala amin' ireo Bokin' ny Makabeo efatra voalohany, ity boky ity dia mikendry ny hampionona ny Jiosy amin' ny fahoriany sy mamporisika azy ireo haharitra amin' ny fitandremana ny Lalàn' i Mosesy.

Jereo koa:

Loharano

  1. Henry Cotton, trans. The Five Books of Maccabees in English, with Notes and Illustrations. Oxford: Oxford UP, 1832.
  2. 2,0 et 2,1 "Maccabees, Books of, 3-5". International Standard Bible Encyclopedia. Retrieved 7 May 2013 – via biblestudytools.com.